ActualitésTatitra

Corée du Nord: Manohana tanteraka an’i Russie ny filoha Kim Jong Un

Manohana tanteraka an’i Russie manoloana ny ady ao Ukraine ny filoha an’i Corée du Nord. Nandefa hafatra niarahaba an’i Russie noho ny fankalazany ny fetim-pireneny io filoha io ary tsy niresaka nivantana ny ady ao Ukraine izy raha ny tatitry ny KCNA saingy nankatoa tanteraka ny fanampahan-kevitr’i Russie rehetra nanoherana an’i Ukraine.

Hoy ny filoha tao anatin’io hafatra io : ny mponin’i Corée du Nord dia manohana tanteraka ary miombona amin’i Russie manoloana ny fanampahan-kevitra rehetra noraisiny niarovany ny « cause sacrée » ny fitandroana ny zo fiandrianam-pirenena, ny fampandrosoana sy ny tombotson’ny firenena manoloana ny « pratiques arbitraires et autoritaires des impérialistes ».

Laisser un commentaire