Asa tanana: Hampiroboroboana ny fanodinana akora efa nampiasaina
Mametraka lamina sy paikady vaovao hanodinana akora efa nampiasaina ny avy anivon’ny Ministeran’ny Asa Tanana sy ny Haitao. Hampiroboroboana amin’izany ny fanaovana “recyclage” mba tsy ho lasa fako handoto tanàna fotsiny ny akora efa avy nampiasaina. Miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina , anisan’izany ny WHH izay fikambanana iray avy any Allemagne ny minisitera ho fanatrarana izany.
“Havoitra amin’izany fiaraha-miasa izany hahafahana manatratra ny tanjona ny fifandrimbonana amin’ny fijerena sy ny fitadiavana ireo akora azo ahodina ho fampiroboroboana ny fanaovana »recyclage ». Eo koa ny fampivelarana ny fanaovana asa tanana eto an-toerana sy any ivelany. Ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny samy mpanao asa tanana. Manampy izany ny fampiofanana sy fanomezana karatra maha matianina, ary ny famondronana sy fitanisana ny mpanao asa tanana tafiditra ao anatin’ny mpanao »recyclage ». Ankoatra izay ny fifanomezan-tanana ahafahana mampiasa akora mora vidy sy manome asa ho an’ny Malagasy”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa tanana.
Ankoatra izany dia hisy ihany koa ireo fampiofanana samihafa hahafahana mitana ny kalitaon’ny vokatra hatrany. Eo ihany koa ny fijerevana ireo akora tena manaraka ny fenitra hahazoana izany vokatra izany foana”, hoy hatrany ny fanazavana.
Mbola mitana anjara toerana lehibe amin’ny hari-karen’ny Madagasikara ny asa tanana ka rariny raha omena lanja toy izao. Ny fananganana zavatra tsara kalitao hatrany ihany koa no mbola hampiakatra ny vola miditra avy amin’ity sehatra ity.
Miora Raharisolo
