ActualitésTatitra

Comores: Toeram-pamokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro telo no ho hatsangana

Mikasa ny hampivelatra ny loharanon’angovo ny tompon’andraikitra ao amin’ny nosy Comores. Antony ny famerana ny fahasarotana avy amin’ny « Centrale thermique » izay lafo vidy ihany koa. Manoloana izany dia hitodika amin’ny fametrahana « Centrale solaire » izy ireo ary mikasa ny ampiasa « mix énergétique » feno any amin’ny taona 2026 any.

Toeram-pamokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro telo hatreto no efa fantatra fa ho hatsangan’ny nosy. Ny atsasan’ilay vola 19 miliara francs comoriens avy tamin’ny banky iraisam-pirenana no hanatanterahana izany raha ny fanazavana.

Sehatra iray ahafahana manaja ny fanekena hanaja ny tontolo iainana sady hampihenana ny sandan’ny « Centrale thermique » izany hoy ny tale jeneralin’ny Sonelec (Societe nationale d’electricite des Comores), Mohamed Djounaid.

Laisser un commentaire