Tsidika

Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy Afrikanina :  fanamby ho an’ny fitovian-jo no napetrak’i Madagasikara.

Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy Afrikanina ny teto Madagasikara omaly 31 Jolay. Nandritra ny fankalazana no nanambarana sy namolavolana ny fametrahana ny politika nasionaly ho an’ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy eto Madagasikara ao anatin’ny taona 2023 hatramin’ny taona 2030. Nandritra ny fankalazana dia tonga nandray anjara feno tamin’ny fifanakalozana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, notronin’ireo Solombavam-bahoaka sy ireo mpiara-miombonantoka.

« Tanjona ny fametrahana ny fahafahan’ny vavy sy ny lahy misitraka zo mitovy eo amin’ny sehatra rehetra : ny asa, ny politika, ny fiainana andavanandro eny fa na ny fampiasana ireo karazana teknolojia. Izany rehetra izany dia tanjona ho tratrarina mandritra ny taona 2023 hatramin’ny taona 2030” hoy ny avy amin’ny Ministera mpiahy

“Zava-dehibe ny fahafahanay vehivavy Malagasy mankalaza izao andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy Afrikanina izao. Ny fotoana toy izao no ahafahanay miresaka mahakasika ny zonay izay matetika voakitikitika sy tsy eken’ny rehetra na eny amin’ny fiaraha-monina izany na any amin’ny  tontolon’ny asa.”  Hoy ny vehivavy nandray anjara tamin’ny hetsika

Maneran-tany tokoa dia mbola maro ireo firenena izay mbola miady ho an’ity resaka zo ity indrindra  eo amin’ny lahy sy ny vavy vokatry ny tsy fanajana ny zo izay tokony hositrahan’ny tsirairay avy. Izay indrindra no anton’ity fotoana omaly ity ho an’ny teto Madagasikara. Isaky ny fankalazana tahaka izao dia misy foana ny lohahevitra banjinina ka tamin’ity taona ity dia ny “ Tontolo nomerikan’ny vehivavy afrikana: fanavaozana sy teknolojia ho amin’nny fitovian-jo-ny lahy sy ny vavy ary  ny ankizivavy Malagasy” no lohahevitra nentina na kalazana azy.

Miranto Andriharisoa

Laisser un commentaire