Misy ny fanentanana amin’ny fanaovana vaksiny
Mitohy hatrany ny fanentanana ireo vahoaka ny amin’ny fanaovana ny vaksiny ary tsy vitsy ireo efa nisitraka izany hatreto. Na izany aza, mbola maro ireo tsy resy lahatra ny amin’ny mety ho fahombiazan’ity vaksiny fanefitry ny covid-19 ity na dia efa maro ireo fanentanana nandeha sy niely. Efa nisy ny toerana fanaovana vaksiny nosokafana ho an’ny eto andrenivohitra saingy na izany aza mitady hatrany n yeo anivon’ny ministeran’ny fahasalamambahoaka ny fomba hanamorana ny fisitrahan’ny rehetra ny vaksiny. Nanao fanambarana ny avy ao amin’ity ministera ity ny alahady 6 may lasa teo fa hisy ny tarika izay afaka mifindra toerana sy mandehandeha mampanao ny vaksiny. Ireo ivon-toerana amin’izany kosa anefa misokatra isan’andro na ny “week-end” aza manomboka amin’ny 8h hatramin’ny 16h. Natao moa ity paik’ady iray ity mba hialana amin’ny mety ho fahasimban’ireo vaksiny tsy lany alohan’ny 17 jona. Manentana hatrany ireo vahoaka ny tompon’andraikitra misahana ny fanaovana ny vaksiny ny amin’ny hisitrahan’izy ireo izany dieny izao.
Ally Herisoananahary
