ActualitésTatitra

Afrique : Mifarana androany ny fivoriana nibanjinana ny « industrialisation » aty Afrique

Nanomboka ny 21 novambra teo ary mifarana androany 25 novambra ny fivoriana nokarakarain’ny UA (Union africaine) tao Niamey izay nibanjinana ny « industrialisation » aty Afrique. Ny filàna ny fizakan-tena sy ny fitomboana ara-toekarena no lohahevitra fototra nodinihana nandritra izany.

Mila mandroso haingana manaraka ny fitombon’ny mponina ny fampandrosoana ny foto-drafitrasa ara-pamokarana hoy ny tompon’andraikitra. Ny fankalazana ny andron’ny « industrialisation » aty Afrique isakin’ny 20 novambra kosa no isany antony nanatontosaina io fivoriana io. Raha tsiahivina dia nanomboka ny volana jolay 1989 no nolanian’ny fihaonamben’ny lehiben’ny fanjakana sy ny governemanta tao amin’ny UA tao Addis-Abeba, Éthiopie io fankalazana io.

Isany teboka lehibe nodinihana nandritra io fivoriana io kosa ny famolavolana rafitra ara-barotra malalaka hanohanana ny fifanakaloza eto amin’ny kaontinanta sy ny fandrafetana ny fanalahidy fototra hanamafisana ny sehatra faharoa.

Laisser un commentaire