Ankadikely Ilafy : Nifarana tamin’ny fiofanana momba ny fiompiana kisoa ny fiofanana maimaim-poana tao amin’ny kaominina
Ny taranja mahakasika ny fiompiana kisoa nohatsaraina no namarana ny fampiofanana maimaim-poana tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Toro-hevitra sy traikefa maro no nifampizaran’ireo mpampiofana za-draharaha sy ny mpiofana nandritra ireo andro efatra nanatanterahina izany, tao an-toerana. Teknika nohatsaraina mahakasika ny fiompiana bitro, akoho fakana nofo, akoho manatody lava ary kisoa hatavezina na hampiterahana no niofanana nandritra izany, araka ny voalaza.
« Isaorana sy hankasitrahana ny Centre de formation Agricole Aïna, Enfance et Avenir Antanandrano izay niara-niasa tamin’ny fiadidiana ny kaominina Ankadikely-llafy tamin’ny fikarakarana sy fanomezana fampiofanana mahakasika ny fiompiana natao ho an’ny rehetra. Afa-po tamin’ny fiofanana ny rehetra, na ireo te-hanatsara na ireo vao hanomboka hiantsehatra amin’izany » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.
« Mbola manantena ny hitohizan’ny hetsika amin’ny ho avy hatrany izahay amin’ny fiofanana manaraka. Tena manampy tokoa ary nahaizana zava-baovao maro ny fanarahana fiofanana tato amin’ny kaominina » hoy i Toky, mpiofana.
Anisan’ny sehatra mahavelona ary azo hanaovana fandraharahana tsara ny sehatry ny fiompiana, indrindra fa ho an’ireo tanora vao hivelatra amin’ny asa izany. Manampy betsaka amin’ny fampidiram-bolan’ny tsirairay ny fiompiana, raha voafehy ny fitantanana amin’izany sehatra izany.
Manitra Ramanantsoa
