Fikarohana : Navoaka ilay milina fanamboarana arina fandrehitra vita avy amin’ny apombo
Mpamokatra vary betsaka aty Afrika i Madagsikara, ary maherin’ny 70% amin’ny akora no very fotsiny satria tsy hita izay tena hilàna azy. Anisan’izany ny apombo mahery, raha tsy homena ny biby fiompy izy ireny dia mandoto tontolo iaiana satria ampiasain’ny olona amin’ny fandorana biriky. Nikaroka izay fomba afaka hampiasana azy ny avy aoa min’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Ministeran’ny fambolena sy ny Fiompiana ary ny JICA. Efa naseho ampahibemaso tany Antsirabe, Ambatondrazaka ary Marovoay izany milina izany.
« Fanoitra ho fampiroboroboana ny famokaram-bary sy ho fiarovana ny tontolo iainana izany satria mampihena ny fandripahana ny ala. Tombontsoa azo avy amin’ny famadihana ny akofa ho fandrehatra ihany koa ny fahazoana ny lavenona avy amin’ny arina ka ampiasaina ho entina mandonaka sy manamasaka ny tany, izay afaka mampitombo ny vokatra indray. Izany no antony namokarana izao milina vaovao izao », hoy ny tompon’andraikitra iray tao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
« Ankoatra ireo dia hahazo tombony amin’izany ireo tantsaha satria ho voahodina avokoa ireo vokatra avy amin’ny famokarana vary. Hitombo ihany koa ny vokatra ary afaka miankina fa hisy ho lovain’ny taranaka any aoriana izany. Ezahina ny hametraka izany milina izany amin’ny “pole rizicole’’ miisa 16 eto Madagasikara », hoy i Feno Andriamanalina, talen’ny Fambolena ao amin’ny Ministera.
« Hatramin’izay efa hariana fotsiny ny akofa rehefa tsy misy mpanontany. Manomboka izao izany dia hisy afaka hahazoana vola indray izany mba hahafahana mampiakatra fari-piainana. Mba hiarovana ny fitaovana anefa dia tokony hampianarina ny aty ambany vohitra amin’ny fampiasana izany », hoy i Nary, tantsaha avy ao Antsirabe.
Efa miditra tsikelikelyb amin’ny fampiasana angovo azo havaozina i Madagasikara. Hialana amin’ny fandotoana tontolo iainana be loatra izany ary hampihenana ihany koa ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano. Mety azo atao ihany koa izany ny mitrandraka akora hafa ho arina fandrehatra hialana amin’ny fanapahana ala.
Miora Raharisolo
