ActualitésTatitra

Etats-Unis : Niverina nitory an’i Donald Trump indray i E. Jean Carroll

Vehivavy mpanao gazety amerikanina i E. Jean Carroll, 78 taona. Nitory an’i Donald Trump izy tany amin’ny volana novambra 2019 tany nohon’ny fanolanana izany nataon’io filohan’i Etats-Unis teo aloha io taminy tao amin’ny toerana mpanadraman’anjako tao amin’ny tranom-barotra iray tao New-York tamin’ny taona 1995 na 1996.

Raha tsiahivina dia ny fitsarana federalin’i Manhattan no nandray an-tanana io raharaha io tamin’n taona 2019. Nilaza i Donald Trump tamin’izany fa tsy mbola nahita an’i E. Jean Carroll mihitsy ary tsy karazana vehivavy tiany izy. Nanambara nefa ny mpisolo vavan’i E. Jean Carroll tamin’izany fa mbola voaharo io filoha io noho izy teo amin’ny fitondrana.

Manoloana ny volavolan-dalàna « Adult Survivors Act » nivoaka ny 24 novambra teo tao New-York dia niverina nitory io mpanao gazety io. Io lalàna io moa dia mamela, mandritra ny herintaona, ireo niharan’ny herisetra ara-nofo mba hamerina ny fitoriany taloha sy hitaky fitsarana sivily. Amin’ny taona 202 kosa ny fitsarana sivily nangatahan’i E. Jean Carroll.

Laisser un commentaire