ActualitésTsidika

Fanadiovana : Mbola manana ny anjara toerany manerana ny Nosy ny « asa tagnamaro »

Ny « asa tagnamaro » dia fotoana iray hampidirana ny kolontsain’ny fahadiovana amin’ny isam-batan’olona. Ampianarina sy zarina ary hampandraisina andraikitra ny tsirairay amin’ny asa fanadiovana ny manodidina ny tena sy ny fikajiana ny fahadiovana ho an’ny tontolo rehetra. Mbola mitana ny anjara toerany izany ho an’ny faritra tsirairay manerana ny Nosy.

« Efa ny taona 2019 no nisian’ny asa tagnamaro teto amin’ny Nosy. Mbola tsy mitsahatra izany amin’izao fotoana izao fa mbola manana ny anjara toerany lehibe manerana ny Nosy. Hanentanana ny fandraisana anjaran’ny tsirairay moa ireny hetsika ireny ka mbola hita fa tena maro ireo mpandray anjara amin’izany. Mandritsara, Maevatanana, Fenoarivo Atsinanana, Mampikony ary Antananarivo dia samy nahazoana akony avokoa ny fandraisana anjaran’ny olona tamin’ny fanadiovana tamin’iny herinandro iny », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Samy mahatsapa ny hasarobidin’ny fahadiovana sy ny fanadiovana ny tsirairay ka tsy mila entanina betsaka intsony amin’ity asa an-tsitrapo ity. Na olon-tsotra na fikambanana rehefa te-hanatanteraka asa fanadiovana dia afaka mandray anjara amin’izany avokoa. « Sady miasa amin’ny fo no mahazo tombontsoa. Teto izao dia ny lalana no nifarimbonana satria ilaina izany ho an’ny rehetra hany ka tsy nitsitsy aina ny mponina noho ny tombotsoa iombonana. Fotoana iray hanehoana ny fiaraha-mientana ihany koa izany », hoy ny tompon’andraikitra avy ao Mampikony.

Araka izany dia mbola tsy tara raha izao vao hanatanteraka ny asa mifanaraka amin’izay ilain’ny mponina ny toerana tsirairay eto Madagasikara. Hanehoana fihavanana sy fifanampiana ny asa tagnamaro, izay zavatra iray tena hiandrandrana ny Malagasy izany. Sady mampihena ny vola mivoaka amin’ny mponina izany no hahazoana tombontsoa iombonana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire