Angola : 24 no matin’ny tondra-drano tany Luanda
Nisehoana tondra-drano vokatry ny firotsahan’ny orana be loatra tany Luanda, Angola nanomboka ny herinandron’ny 19 aprily teo. Tafiakatra 24 ireo maty amin’izao ary mahatratra hatramin’ny 2 000 ny mponina no latsaka tanteraka tanaty rano raha ny tatitra farany nataon’ireo tompon’andraikitra ifotony ny Alarobia 21 aprily lasa teo. Rotsak’orana nandritra ny ora maromaro no nitranga ny alatsinainy 19 aprily lasa teo ka nandrava tranon’olona miisa 2 344 raha ny 60 no nirodana tanteraka tsy nisy azo noraisina. Nahakasika olona hatramin’ny 11 700 ity loza ity. Tranom-pahasalamana efatra, tetezana efatra ary sekoly 14 no potikin’ny rano. Efa mahazatra loatra ny tondra-drano rehefa vaninan’andron’ny orana any amin’ny firenena atsimon’i Afrique tahaka izao. Tamin’ny janoary 2020 teo izao, nisy tondra-drano izay nahafatesan’olona 41 ary maherin’ny 300 ny trano rava izay nahakasika fianakaviana 2 000 be izao.
