ActualitésTatitra

Etats-Unis: 16 000 Dolara be izao ny « pourboire » nomen’ilay lehilahy

Nametraka mariky ny fahafaham-po ho an’ny « serveuse » ny mpanjifa iray tao amin’ny trano fisakafoana tany Etats-Unis. Gaga ilay serveuse fa 16 000 Dolara be izao (62 tapitrisa ariary) ny vola napetrany kanefa ny zava-pisotro novidiany dia kely vidy raha mitaha ity vola ity satria mitentina 37, 93 Dolara (150 000 ariary) raha ny tokony ho izy.Manoloana izao krizy iraisam-pirenena izoa no nisy nizara vola tamin’ny fomba mahagaga ny 12 jona lasa teo tany Londonderry any Etats-Unis. Tsy mbola nisy nanome « pourboire » betsaka tahaka izao ity serveuse ity hatramin’izay ka tena gaga sy talanjona. Tahaka ny fomba any Etats-Unis dia aloa amin’ny karatra any amin’ny banky ny vola amin’ny « pourboire » tahaka izao. Avy hatrany dia nizara ny vaovao tao amin’ny tambajontran-tserasera mikasika ilay volabe ny tompon’ilay trano fisakafoanana.

Laisser un commentaire