Fanabeazana : Tsy maintsy handalo ny kilasy fanomanana daholo ny ankizy kely rehetra
Raha ny fanambarana avy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena dia 42,49% ny tahan’ny fandalovan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy fanomanana (préscolaire). Niakatra io isa io tao anatin’ny taona vitsivitsy noho ny fametrahana izany eny amin’ny sekolim-panjakana. 65% amin’io taha io dia eny amin’ny sekolim-panjakana avokoa. Etsy ankilany anefa dia 60% amin’ireo ankizy tokony efa hiditra amin’ny préscolaire no mbola tsy misoratra anarana.
« Hanomanana ny ankizy amin’ny fiainan’ny fianarana izany préscolaire izany. Hamoazana ny sain’izy ireo hahafahany miatrika ny atao hoe fianarana antsakany sy andavany. Ao anatin’ny préscolazire ny ankizy dia mamoha ny sainy ary hahafahana mamantatra ny tokony ho lalany dieny mbola kely. Hahaizana zavatra maro ny préscolaire ary ny ankizy rehetra dia tokony handalo izany hivoarany », hoy i Cécile, tompon’andraikitry ny fanabeazana ao amin’ny Cisco Talata Volonondry.
« Raha ny ety aminay aloha dia tsy mbola betsaka ireo ankizy no miditra amin’ny préscolaire. Hitako oe mahazo tombony kokoa ireo ankizy kely ireo mihoatra ireo tsy mandalo ao. Fotoana iray hahafahan’ny Ray aman-Dreny mampihena ny fahasahiranana ihany koa izy io », hoy i Lanto Rakotoarisoa, Talen’ny EPP iray ao Betafo.
« Efa niainana ihany ilay izy, fa ny zanako voalohany tsy nampandaloviko préscolaire, somary sahirana izy tamin’ny taona telo voalohany raha almpitahaina amin’ilay zandriny. Ilaina io kilasy fanomanana io mba ahafahan’ny sain’ilay zaza miomana sahady ny asa miandry azy », hoy i Tiana, renim-pianakaviana.
Ahafahana mampitombo ny kalitaon’ny fampianarana dia mety hovaina ho kilasy tsy maintsy handalovana ny kilasy fanomanana eny anivon’ny préscolaire ho an’ireo ankizy kely rehetra. Araka ny efa fantatra ihany koa dia hasiam-panovana ny firafitry ny fampianarana ka mety ho tafiditra ao anatin’izany ity kilasy « préscolaire » ity.
Miora Raharisolo
