Cambodge : « Nepenthes Holdenii », voninkazo manana endrika hafakely
Ao amin’ny faritra andrefan’i Cambodge no misy ity voninkazo hafakely antsoina hoe « Nepenthes Holdenii » ity. Vao ny taona 2010 teo izy no hitan’ny vehivavy maromaro tao an-toerana ary niparitaka tao amin’ny tamba-jotra sosialy. Eo amin’ny haavo 600 sy 800 metatra izy io no maniry. Tany am-piandohana dia karazany iray ihany no hita tamin’izy io tao amin’ny tendrombohitry ny Cardamome. Nahitana karazany hafa kosa tao an-toerana ny taona 2011. Ny taona 2014 izy nakana voa sy nambolena, ary nahomby tanteraka izany fambolena azy izany.
