France : Renim-pianakaviana iray no novonoin’ny olo-tiany
Renim-pianakaviana iray miasa ao amin’ny polisy monisipaly i Mathilda Milleville 35 taona. Tsy tonga nanatanteraka ny asany tao Viarmes ao Val d’Oise nefa izy ny 16 martsa teo ka nitaintaina ireo mpiara-miasa taminy. Manoloana izany dia niantso ny tompon’andraikitra izy ireo.
Manodidina ny 10 ora maraina no tonga tao an-tranon’i Mathilda Milleville tao Grands-Fossés ireo zandary saingy ny razan’io renim-pianakaviana io no novantanin’izy ireo. Nosamborina avy hatrany kosa ny olo-tiany izay voarohirohy amin’ny raharaha ary notanana am-ponja vonjimaika.
Raha ny valin’ny fizahana ny razana kosa dia maty nokendaina io vehivavy manan-janaka roa 7 sy 10 taona io.
