SocialTatitra

Israël : Nanao fanafihana an’habakabaka nikendry an’i Liban ny Tsahal

Niaiky ny fanafihana an’habakabaka nikendry an’i Liban ny tafika israélien ny alakamisy teo. Nanambara izy ireo fa ireo toerana fandefasana ny « roquette » tao atsimon’i Liban no lasibatra tamin’izany. Io toerana io izay nitifitra « roquette » nikendry an’Israël ny marain’io fotoana io ihany. »Foto-drafitrasa sy io toerana fandefasana roquette io no nokendrena mba ampihorohoroana an’i Liban » hoy ny tatitra nataon’ny tafika israélien. Raha ny mahazatra dia ny fihetsiketsehina islamiste palestinien Hamas ao Gaza sy Syrie no tena hiaran’ny fanafihana an’habakabak’i Israël. Efa tamin’ny taona 2014 no nanafika farany an’i Liban izy ireo saingy valin’ny fanafihana nataon’i Liban ity tafika nataon’izy ireo ity.

Laisser un commentaire