Etats-Unis : Hiverina hisokatra ho an’ireo vahiny vita vaksiny ny sisin-tany
Hatreto aloha dia mbola mikatona ny sisin-tany ho an’ireo vahiny sy mpizaha-tany. Voakasik’izany ireo avy any Europe, Inde, Brésil ary Chine, afa-tsy ireo izay tena manana antony manokana tena tsy azo hialana. Tsiahivina nefa fa ny Union Européenne dia efa nanokatra ny sisin-taniny ho an’ny olona avy any Etats-Unis.Nanamafy kosa ny tompon’andraikitra iray ao Etats-Unis fa efa miomana amin’ny fanokafana ny sisin-tany ho an’ireo vahiny vita vaksiny izy ireo. Tsy mbola nisy kosa nefa ny daty napetraka hanatanterahina izany.
