Kolontsaina: Karazany maro no azo handraisana anjara mandritra ny Mihamy Mada Fashion
Nandritra ny telo taona izay dia nahomby hatrany ny hetsika izay nokarakaraina teto Antananarivo. Amin’ity taona 2023 ity dia any Toamasina indray no hanatanterahana ny hetsika ny 13, 14, ary 15 aprily 2023 izao. Ho afa-po ny maso satria isan-karazany mihitsy ireo sehatra azo handraisana anjara.
“Tsy nanavahana ity hetsika ity fa ireo rehetra izay misehatra ao anatin’ny lamaody manome voninahitra ny maha-malagasy dia afaka nandray anjara avokoa. Ny lohahevitra entina amin’ny fankalazana moa di any hoe “tsy misaraka amin’ny vita Malagasy antsena”. Efa maro ireo nisoratra anarana ka voaray tao daholo ny mahakasika ny taovolo, taokiraro, taofiravaka, hairary, haihatsarana, haizaitra, sy ny maro hafa”, hoy ny Tale jeneralin’ny Serasera syny Kolontsaina, Francis Razafiarison.
20 andro sisa dia higadona ny hetsika ka efa andalam-pikarakarana avokoa ny tompon’andraikitra rehetra any an-toerana. Nisy ny fihaonan’ny Tale Jeneralin’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ireo mpandray anjara ka nahafahana nifandray sy niara-nitady fomba hanamorana ny fikarakarana ary indrindra hahatomombana amin’ny antsakany sy andavany ny hetsika. “Misaotra ny Ministera nanatanteraka ny hetsika hahafanay mpandraharaha maneho ny asa tananay sady indirndra manome lanja ny vokatra vita Malagasy”, hoy ny solontenan’ireo mpandray anjara nanatrika ny fihaonana.
Marihina hatrany fa ny fandraisana anjaran’ireo mpandraharaha rehetra manerana ny nosy no tanjona. Indrindra fa ireo avy amin’ireo faritra 03 anatin’ny faritanin’i Toamasina. Efa tapitra moa ny fisoratana anarana ka efa miandry ny figadonan’ny fotoana sisa dia hankafy ny maso, ny sofina, ny tanana.
Miora Raharisolo
