29 Décembre
Randriatahirisoa Justin.
Teraka ny 29 desambra 1991, tao Antsirabe i Randriatahirisoa Justin. Mpikabary Mpanoratra ny tenany. Niditra tamina fikambanan’ny mpikabary iray tao Antsirabe izy ny taona 2015, tsy iza izany fa ny “FIkambanan’ny MPIkabary Malagasy” na ny FI.MPI.MA. Ny sampan Vonimpikadia no tena hiandraiketany. Mitàna andraikitra maro ao amin’io sampan io ny tenany mandrank’ankehitriny. Anisan’ny niandohan’I Monsieur Justin ny sampan Vonimpikadia. Noraisiny an-tanana ny fampianarana ireo kilonga madinika. Fampianarana izay antsoin’izy ireo hoe “taniketsa”. Izy ihany koa no miandraikitra ny gazety “Ankompika” mirakitra ny fifampizaran’ireo mpikabary ao amin’ny Vonimpikadia. Ankoatr’izay, miandraikitra ny serasera ao amin’ny sampan ihany koa i Justin. Tamin’ny taona 2020, namoaka ny andiany voalohany amin’ny asa sorany mitondra ny lohanteny hoe “Mitahiry Soa” ny tenany. Asa soratra mivoaka isa telo volana sady zaraina maimaim-poana. Anisan’ny mampihavaka an’I Monsieur Justin manokana ny fanomezany lanja ny fihavanana. Aza misalasala mifampiresaka aminy amin’ny pejy facebook : “Tahirisoa Andria Mpikabary Mpanoratra” na miresaka amin’ny mivantana amin’ny laharana : 0 32 52 958 82
