Zandarimariam-pirenena : Nahatratra 225.000 isa ireo zanan-kazo voavoly.
« Madagasikara rakotr’ala », « Zandarimariam-pirenena miaro sy mikolo ny tontolo iainana ». Ireo no lohateny entin’ny zandarimariam-pirenena miatrika ny taom-pambolen-kazi 2020-2021.Nanatanteraka fambolen-kazo ny zandarimariam-pirenena ny 18 ka hatramin’ny faha 24 ny volana janoary lasa teo. Nahatratra 225.000 isa manerana ny nosy ny zanan-kazo voavolin’izy ireo mbamin’ny vadiny ary ny mpiasa sivily. Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia herinandro fanombohana ihany iny fa mbola hitohy izany ka vinavinaina ho zanan-kazo 250 isaky ny zandary no ho voavoly sy voakolokolo mandritra ity taona ity. Raha tsiahivina moa dia miisa 15.000 eo ho eo ny isan’ny zandarimariam-pirenena.
Narcia Hantanirina





