Actualités

Karatra matihanina : Manamarina amin’ny maha mpanao gazety eto Madagasikara.

Nanomboka ny 19 janoary ka hatramin’ny 12 febroary 2021 ny fandraisana ny fangatahana mahakasika ny fahazoana ny karatra matihana ho fanamarinana amin’ny maha mpanao gazety eto Madagasikara, raha ny fanamarihan’ny komity iraisana misahana ny famoahana ireo karatry ireo. Tsy maintsy manome antontan-taratasy fanampiny ireo mpangataka, raha ny fanazavana. Ao anatin’izany ny CV, ny taratasy fanamarinam-piasana, fanomezana ampahany avy tamin’ireo asa efa vitany tamin’ny sehatra fanoratana an-gazety, tamin’ny tranon-kala na tamin’ny haino aman-jery. Ao anatin’ny fepetra takiana ahazoana ny karatra ihany koa ny tokony ananan’ny mpanao gazety diplaoma amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety na fananany traikefa 3 taona nifanesy raha kely indrindra tamin’io asa io.

Volantsoa Felaniaina

Laisser un commentaire