Conseil

Lasopy amin’ny chou-fleur : Mitroka tavy

Mazàna sahirana rehefa manao régime misafidy izay sakafo tokony hohanina. Sakafo tena mety ho an’ny olona mampihena tena ny lasopyIty karazany iray ity izao azo hatao sakafo hariva maivamaivana tsara, sady matsiro izy ity.Akora ilaina : chou-fleur 1, tongolo 2, selery 1, menaka oliva 2 sf, patsabe 12, ron-dasopy legioma 1 litatra, crème mandranokana tsy matavy 5 santilitatra, kotomila ary sira.Zarazaraina ny chou-fleur. Tetehina madinika ny tongolo. Tetehina madinika ny selery. Endasina amin’ny menaka 1 sotro ny tongolo. Alefa ao ny selery sy ny chou-fleur. Andrahoina 3 minitra. Tondrahana ny ron-dasopy avy eo dia ampangotrahina. Tsara raha nafanaina mialoha ilay rony. Andrahoina amin’ny afo malefaka ny chou-fleur. Endasina amin’ny menaka ambiny sy ny patsa be. Asiana sira kely rehefa masaka. Totoina amin’ny mixeur ny lasopy. Asiana crème. Azo asiana fraomazy tsy matavy kely raha tiana. Aroso miaraka amin’ny pats be vao nendasina teo sy ny kotomila vaotetika madinika. Hatao sakafo hariva izy ity. Maivamaivana tsara. Mety raha manaraka régime. Kendrena kosa tsy hatavy ny crème hampiarahana aminy. Misy karazany mantsy izy ireny. Azo tsy asiana crème mihitsy koa raha ohatra ka ahiana hatavy loatra. Fraomazy malemy iray dia ampy. Tsy ampiana sira intsony anefa amin’izay fotoana izay. Tadidio fa mahatonga ny vatana hihazona rano ny sira ka tsy tokony hihinana azy be loatra raha te-hihena.

Fenohasina Ratsimamitaka

Laisser un commentaire