Conseil

Ireo voka-tsoa azo avy amin’ny fihinanana sakamalao

Tafiditra tanteraka amin’ny volon’andron’ny ririnina isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Fotoana mampirongatra ny aretina maro ary tsy adino ny covid-19. Sakafo mafana no tena ilaina mba hampafana ny ao anaty eo ihany koa ny fitafiana mafana. Ilaina indrindra ny sakamalao izay ian’ny mampafana amin’izao ririnina izao.

Tsy izay ihany fa betsaka Vitamines, Calcium, Magnésium, Potassium, Fer sy Zinc ihany koa izy. Miaro amin’ny aretin’ny lalan-dra sy ny fo, ny homamiadana, ny aretina vokatry ny fahanterana ny sakamalo ka sokajiana ho antioxydant faha-telo anatin’ny sakafo 1 000. Ody fanaintainana ihany koa izy ka manala sy mampitony ny mararirary rehetra toy ny loha, nofo, vanin-taolana.

Manala ny loto anaty (détox), ny maloiloy sy ny te handoa ary manafaingana ny fandevonan-kanina no mampidina ny tahan’ny siramamy ho an’ireo diabetika. Tena ilaina tokoa ny sakamalao raha te hisoroka ny hatavezana sy te hatanjaka noho ireo Vitamines maro hoentiny. Maro ny afaka hampiasana ny Sakamalao toy frais, poudre, hatao amin’ny sakafo. Mazotoa àry mihinana sakamalao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire