ConseilTsidika

Torohevitra : Fomba natoraly hanadiovana ny tarehy misy panda

Torohevitra iray tsotra ary amin’ny fomba natoraly, entina handiovana ny tarehy feno tasy sy panda. Anisan’ny harenan’ny vehivavy ny fananana tarehy madio sy malamalama ka ny zavatra ny ilaina ao anatin’izany dia ny voasarimakirana iray sy ny siramamy, tsara raha siramamy fotsy iray sotro fihinanana.

Ahoana ny fomba fikarakarana azy ? Atao ao anaty lovia efa madio ny ranona voasary makirana iray teo, rehefa vita izay dia asiana siramamy iray sotro fihinana. Avela hifangaro tsara izay vao azo ampiasaina. Rehefa mampias azy dia sasana madio tsara aloha ny tarehy ary avela ho maina, izay vao hosorana ity akora natoraly ity. Rehefa vita izay dia avela eo mandritra ny 20 minitra, izay vao kobanina amin’ny rano matimaty.

Mandritra ny 15 andro misesy no hanaovana ity fikarakarana ity ary tsara atao isan’andro izany raha te ahita vokatra tsara.

Laisser un commentaire