Nitsidika ny mponina ao Andranofeno Sud ny minisitry ny Mponina
Nanao fitsidihana ireo mponina nisitraka toeram-ponenana ao Andranofeno Sud, faritra Analamanga, ary Ankazobe ny ministeran’ny mponina. Raha tsiahivina, tao Andranofeno Sud no nametrahana ireo olona tsy nanan-kialofana tao Antananarivo Renivohitra. Tao anatin’izany, nizara akanjo vaovao sy aro vava sy orona ary masom-boly isan-karazany izy. Natao izany mba hahafan’ireo nafindra monina mampitombo ny asa fiveloman’izy ireo,a nisan’izany ny fambolena sy ny fiompina. Nampanantena ihany koa ny minisitra fa hanohana ara-pitaovana sy ara-tekinika ireto olona ireto. Hafaliana sy haravoana ny an’ireto olona ireto tamin’ny fanomezana nozaraina taminy ary koa ny fampanantenana natao. Faly torak’ izany ihany koa ny minisitry ny mponina Michella Bavy Angelica, indrindra tamin’ny naneken’izy ireo ny fandaminana ny amin’ny famindrana azy ireo any amin’iny toerana iny. Noamafisiny tamin’ny fitsidihana fa mbola afaka misitraka toerana ao Andranofeno Sud ireo olona tsy manan-kialofana. Andrasana arak’izany ireo famatsiana hafa nampanantenaina ho fanitarana ny asa fivelomana izay nampiandraketina ireto mponina any Andranofeno Sud ireto.
