Anjeva: Mitaraina noho ny hafitsok’ireo fiara mpitatitra ao an-toerana ny mponina
Mitaraina ireo mponina mody ao amin’ny kaominina Anjeva manoloana ny fomba fiasan’ireo fiara mpitatitra ao an-toerana. Araka ny voalaza, manodidina ny amin’ny 6ora hariva dia efa tsy misy miasa ireo fiara mpitatitra ka manao antso avo amin’ny tomponan’andraikitra ireo mpandeha, hijery akaiky ny zava-misy sy handray fepetra mahakasika izany.
“Tsy vao izao no nisian’ny olana teo amin’ireo fomba fiasan’ireo taxibe ireo. Efa nisy ny fampilazana sy ny fepetra nataon’ny tomponandraikitra fa amin’ny 7 ora hariva vao tokony hifarana ny asa fitateram-bahoaka, kanefa amin’ny 6 ora sy fahefany efa tsy misy hita ireo fiara eo Mahazo, ny olona anefa mbola maro no milahatra” hoy I Vatsy, mponina ao Anjeva.
“Mila fandraisana fepetra avy amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny no vahaolana amin’ny resaka fiara fitateram-bahoaka eto amintsika. Mila mamaritra lalàna sy fitsipika hifampifehezana satria ireo mpanjifa, mpadeha no mijaly manoloana ny zava-misy, indrindra fa ireo olona voatery mody hariva” hoy I Tahina, mpianatra momba ny fiaraha-monina.
Manentana ny tomponandraikitra araka izany mba hijery akaiky ity resaka fiara fitateram-bahoaka ity. Efa maro ireo mponina no mivezivezy mampiasa ny fiara fitateram-bahoaka, eo ihany koa ny resaka saran-dalana izay efa nampimenomenona ny maro, ka tokony hifanaraka amin’izay ny tolotra sy tinady omen’ny mpamily amin’ny mpandeha.
Manitra Ramanantsoa
