ActualitésTsidika

Akamasoa: Toeram-panabeazana mifototra amin’ny maha olona indrindra fa ho an’ireo tanora.

Efa 33 taona izao no nihorenan’ny akany Akamasoa ary efa nanofana tanora efa ho aman’arivony mba handray andraikitra sy handray anajra amin’ny asa fampandrosoana.

Beazina sy hampianarina ireo tanora ireo mba tsy hipetrapetraka fotsiny ary mba tsy hiraviravy tanana manoloana ny fahasahiranana ka hiandry ho tolorana fotsiny. Nampahafantarina azy ireo fa manana anjara toerana sy adidy lehibe izy ireo amin’ny fampandrosoana ny tenany. Anisan’ny dingana iray hampahafantarana azy ireo ny fitiavan-tanindrazana satria manana adidy sy andraikitra hampandroso ny firenena ihany koa izy amin’ny asa izay hataony eo amin’ny fiainakaviany sy ny manodidina azy.

“Efa ahitana ny sekoly “lycée” sy “université” ary “toeram-panofanana arak’asa” ato amin’ny Akamasoa ka efa misitraka izany avokoa ireo tanora maro ary io “université” io izao efa mandray mpianatra avy amin’ny faritra 23. Ny “université” izao dia misy ny sampam-pianarana frantsay, anglisy, “paramedical”, informatika ary ny fanofanana ho mpampianatra”, hoy i Liva, tompon’andraikitra eny amin’ny Akamasoa.

“Ankoatr’izany anefa dia efa nanana sehatra entina hanampiana ireo tanora izahay talohan’io “université” io dia ny toeram-panofanana arak’asa izany, izay ahitana ny asa momba ny vy, ny asa momba ny hazo ary ny asa momba ny fiarakodia rehetra. Vao nisokatra vao haingana ihany koa izao ny fampianarana mahandro sakafo ary efa ahitana mpianatra daholo”, hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy mialon-jafy ny toerana ka tsy voatery ireo olona mipetraka ao amin’ny site Akamasoa irery ihany no mianatra sy migoka ny soa omeny fa afaka mandray ny olona rehetra izy ireo. Ny fanabeazana rehetra dia mifototra amin’ny maha-olona k any fahaiza-miaiana sy fahaiza-manao dia miara-misalahy amin’ny fanofanana ireo tanora ireo ho olom-banona.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire