ActualitésTatitra

La Réunion : Naverina navoaka indray ny gazety JIR

Nanomboka ny zoma teo no naverina navoaka an-taratasy indray ny Journal de l’Île de La Réunion (JIR) rehefa niato nandritra ny 6 andro. Raha tsiahivina dia nofaranan’ny Imprimeur ICP Roto ny fifanarahany tamin’ny JIR ka afaka nivoaka intsony ny gazety nanomboka ny sabotsy 1 oktobra.

« Personne ne nous fera taire » na « tsy misy olona mampangina anay ». Io no lohateny lehibe napetrak’io gazety io ny andron’ny fivoahan’ny gazety indray. Raha ny fanatatra dia niakatra tribonaly ny raharahan’ny JIR sy ny ICP Roto ary voatery nandoa lamandy 200 000 euros/andro tsy nivoahan’ny gazety farany teo ny talen’ilay Imprimerie, Alfred Chane Pane.

Laisser un commentaire