Analanjirofo: Hapetraka ao amin’ny BAM ny sarin-tany maneho ny karazana harena an-kibon’ny tany misy amin’ity faritra ity
Hapetraka ifotony ny sarin-tany maneho ny harena hananan’ny toerana tsirairay. Toy ity tao Analanjirofo ity izay hapetraka ao amin’ny BAM Analanjirofo izany sary izany. Izany moa no natao mba hanampiana ireo mpisehatra hahalala kokoa izany sehatra hiasany izany. Anatin’ny asa tanteraka hatreto ny fanamboarana ity BAM ao Analanjirofo ity izay vinavinaina ho amperin’asa ny martsa 2023 izao.
“Ny hisian’ny fitantanana mahomby sy maharitra ary lovainjafy no antony ametrahana ny BAM eny ifotony tahaka izao. Anjara asan’ny Ministera ihany koa ny manampy ireo mpisehatra sy manolotra vahaolana ho azy ireo hialana amin’ny fandehanana lavitra sy izay mety ho fivezivezena rehefa hikarakara taratasy na ireo pitsopitsony ilainy amin’ity seha-pihariana ity. Anisan’ny fanatanterahana izany ihany koa ny fametrahana ity sary maneho ny harenan’ny faritra ity”, hoy ny avy ao amin’ny Ministera.
“Mahafinaritra ny mahita ny fanampiana tonga ohatran’izao foana. Ny sehatra rehetra mihitsy no tokony asiana ohatran’izao fa ilaina izy io ary manala fahasahiranana. Misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany aho dia mety misy toerana mbola tsy hitako izany izao hahafahako mitrandraka dia tonga ato fotsiny aho manampy izany fahalalako izany”, hoy ity mpandraharaha amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ity.
Fampandrosoana ny tanjona amin’izao fotoana izao. Mandeha tsikelikely izy io ary manana anjara toerana lehibe amin’izany ny haren ankibon’ny tany. Tokony hisitraka BAM avokoa noho izany ny faritra rehetra ary mitovy ny tolotra.
Miora Raharisolo
