Belgique : Tovolahy 16 taona nodarohana tovovavy telo tao amin’ny toeram-pandihizana iray tao Liège
Nandainga tamin’ny reniny i Lucas, 16 taona fa hatory tany amin’ny namany. Ny tena marina nefa dia nivoaka tany amin’ny toeram-pandihizana iray antsoina hoe « Le Carré » tao Liège izy. Manodidina ny tamin’ny 5 ora maraina tao an-toerana dia nisy tovovavy telo nidaroka i Lucas. Namely azy mafy tamin’ny totohondry, daka sy felaka ireo vehivavy ireo raha ny nambarany, ary nampiana lehilahy iray hafa avy eo.
Niezaka niaro tena i Lucas, rehefa niahita irika izy dia tafatsoaka ary niantso vonjeo sy nihiaka hoe « miantsoa polisy » rehefa tafavoaka ilay toeram-pandihizina, saingy tsy nisy nanampy. Maro be ihany koa hoy izy ny nahita azy voadaroka saingy tsy nisy nanampy ny tenany. Lasan’ireo namono azy kosa ny entan’i Lucas rehetra tamin’io fotoana io.
