ActualitésTsidika

Kolontsaina : Mpikabary miisa 147 notoloran’ny Ministera mari-boninahitra

Nankalazaina teo amin’ny Kianja Analamaitso Analamahitsy ny androm-pirenena ho an’ny kabary malagasy ny 15 janoary teo Sady nanamarihana ny tsingerintaona voalohany nanambarana tamin’ny fomba manetriketrika ny nampidirana ny Kabary ho harembakoka ara-ts’nainy zanak’olombelona ity. 3 tamin’izy ireo no nahazo ny « Commandeur de l’ordre, des Arts , des Lettres et de la Culture Malagasy » ; 24 « Officier » ; ary 120  » Chevalier ». 

« Sompitra iray lehibe hitahiry ny harena sarobidy ao amin’ny teny malagasy ny Kabary manomboka izao fa tsy tapaporohana sisa tsy may amin’ny kolontsaina intsony », hoy ny Talen’ny Kabinetran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rasoanarivo Haja, nisolo tena ny minisitra Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana.

« Mariky ny fankasitrahan’ny Fitondram-panjakana ireo niaina sy namelona ny Kabary tao anatin’ny folo taona farafahakeliny ny fanolorana ny mari-boninahitra izao. Eo koa ireo mitazona andraikitra amin’ny fikambanana sy ny manana sanganasa an-tsoratra », hoy ny Filohan’ny Federasionan’ny Mpikanto ny Teny sy ny Soratra (FMTS), Fitomiandalana.

« Tsy mety lefy laza izany kabary izany na dia eo aza ny fandrosoan’ny teknolojia sy ireo zava-baovao maro isan-karazany. Mahatsapa hoe mahafinaritra ny mihaino ny teny Malagasy ary tsy misy mahasolo rehefa mihaino ireo haingon-teny hampiasaina ao anaty kabary », hoy i Valérie, mpianatra kabary.

An’arivony ankehitriny ny mpisehatra amin’ny kabary, ary aman-jatony ny fikambanana mampita fahalalana momba ny kabary sy fomba malagasy. Ahitana sokajin-taona rehetra; tsy anavahana lahy sy vavy, ary misandrahaka hatrany ampitan-dranomasina. Zava-dehibe ny fiarovana io vakoka ara-tsaina io izay tokony hotandrovina satria mampiavaka ny Malagasy ka noho izany tokony misy any amin’ny sekoly rehetra any toerana fampianarana kabary ho an’ireo izay mahavita izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire