France : Hitondra fanavaozana ny trano fonenana ho an’ireo tsy manan-kialofana ny fitondram-panjakana
Nanambara ny governemanta ny alatsinainy teo fa hanavao ny politika ny ny trano fonenana vonjilaika ho an’ireo tsy manan-kialofana. Efa nanatanteraka io tetikasa io izy ireo isaky ny vanim-potoan’ny ririnina tao amin’ireo tanàn-dehibe ao France. Tsy manan-kialofana 200 000 isa kosa nefa no mbola any amin’ireny toerana voatokana ireny raha ny fanazavana.Miisa 280 000 ireo afaka nisitraka io fampiantranoana io hatramin’ny 1 janoary 2018 hatramin’ny 30 jona 2021. Mila hatsahatra kosa io fanampiana vonjy maika io ary mila hovaina vahaolana maharitra hoy i Emmanuelle Wargon, ministry ny fonenana. Nangataka tamin’ny « Délégation interministérielle à l’hébergement et l’accès au logement » (Dihal) izy mba hamaritra miaraka amin’ny FAS sy ny mpisehatra amin’izany io tetikasa io. Andrasana amin’ny fiandohan’ny taona 2022 ny tatitra momba izany.
