La réunion : Rongony 11,5 kg sy sy zana-kazon-drongony 53 no tratran’ny polisy
Nahatratra rongony « shunk » 11,5 kg, zana-kazona zava-mahadomelina 53, basy iray nisy bala 14 ary lelavola 700 euros ny brigady miady amin’ny zava-mahadomelina ao an-toerana. Olona iray kosa no voasambotraa nandritra izany raha ny fanazavana. Marihina fa anisany miparitaka ao an-toerana ny zava-mahadomelina, ny volana aprily teo nahatratra izany tao Sainte-Suzanne sy Saint-André ihany koa izy ireo izay nisy rongony efa maina 13kg, « plaquette » rongony 4, 100g avy, lelavola 4 500 euros ary « zamal » 85 metatra niampy basy 5.
