ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Efa nanomboka ny fankalazana ny andron’ny 8 Martsa

Nisy ny hetsika fanombohana ny fankalazana ny andron’ny 8 Martsa, izay andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, tao amin’ny kaominina Talata Volonondry, ny faran’ny herinandro teo. Lalao sy fizarana zana-kazo niarahana tamin’ireo fikambanam-behivavy tao an-toerana no niseho nandritra izany.

 » Lalao baolina kitra ho an’ny vehivavy nandraisan’ireo fikambanam-behivavy isam-pokontany anjara, izay aloha no nentina nanomboka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy teto amin’ny kaominina » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

 » Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fandraisana fanomezana dia zana-kazo fihinam-boa ho an’ireo fikambanana avy amin’ny fikambanana AFF, izay hisaorana sy hankasitrahana azy ireo manokana » hoy hatrany ny fanazavana.

Santatra amin’ny fankalazana ny andron’ny 8 Martsa ihany moa izao niseho tao amin’ny pkaominina Talata Volonondry izao. Mbola hitohy kosa ny fankalazana ho amin’ny andron’ny rahampitso

Manitra R.

Laisser un commentaire