ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Hisy fizaham-pahasalamana maimaim-poana ao amin’ny ESSM

 Hanome hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana ny ESSM (Espace Santé Saint Michel) ao Ambohimangakely. Haharitra dimy andro ny hetsika, araka ny voalaza, ary hanomboka anio talata ka tsy hifarana raha ny sabotsy 15 jolay 2023.

“Noho ny fisokafan’ny toeram-pitsaboana izao dia hanolotra fizaham-pahasalamana, fitialiana diabeta ary fanomezana torohevitra ara-pahasalamana maimaim-poana ho an’ny rehetra ny ivon-toeram-pitsaboana manomboka anio” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny ivon-toerana.

“Hanasana ny rehetra ho tonga maro hatrany satria ny trano fitsaboana dia misokatra ho an’ny rehetra hatrany. Ireo mpitsabo eto an-toerana izay vonona hanome fahafa-po” hoy hatrany ny fanazavana.

Ankoatra ireo tolotra maimaim-poana ao amin’ny ivon-toerana moa dia manao ny fitsaboana rehetra ihany koa ny ivon-toerana toy ny médecin general, matérnité, urgence medical, pédiatre, dépistage de cancer du col, ny dentisterie, ny echographie, ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindram-piterahana ary ny maro hafa.

Manitra R.

Laisser un commentaire