ActualitésTatitra

La Réunion: Mpianatra fito no nahazo vatsi-pianarana ao amin’ny Science Po Paris

Mpianatry ny lisea fito no nahazo vatsi-pianarana Crowe ao amin’ny Science Po Paris omaly alatsinainy. Natolotry ny filohan’ny Alumni ao amin’ilay sekoly sangany, Guillaume Govind sy ny ben’ny tanan’i Saint-Denis, Erika Bareigts izany.
Toy ny isan-taona dia lisea dimy ao La Réunion ao anatin’ny CEP (conventions Education Prioritaire) miaraka amin’ny Science Po Paris no manomana ny mpianany amam-bolana maro ary mampanao ireo mpianatra tena mahay ny fanadinana fifaninana hidirana ao amin’ny Science Po Paris. Samy niaro lohahevitra iray nosafidiany tao anaty gazety nandritra ny 30 minitra avy ireo ary izay afaka tamin’izany dia nanao adina am-bava tao amin’ny Science Po.
Rehefa nivaly izany dia mpianatra fito no voafantina. Raha tsiahivina dia mitentina 500 Euros ny vatsi-pianarana Crowe Réunion ary miampy « bon d’achats » 320 Euros izany.

Laisser un commentaire