Fifaninanam-pirenena Basketball U14 taom-pilalaovana 2023: Hotontosaina ny 15 hatramin’ny 23 Jolay
Araka ny tetiandro navoakan’ny Federasionina Malagasy ny taranja Basketball dia ho tontosaina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fifaninanam-pirenena U14 taom-pilalaovana 2023 ho an’ny taranja Basketball. Hanomboka ny Sabotsy faha-15 ka hatramin’ny Alahady 23 Jolay 2023 ny lalao fifaninana .
« Hanomboka tsy ho ela ny championat de madagascar isika araka ny daty efa navoakan’ny federasionina . Noho izany dia manainga ny ekipa tsirairay izay handray anjara hiomana tsara na ara-batana izany na ara-tsaina ho fiatrehana ny lalao. » hoy ny avy amin’ny federasiona.
Efa vonona araka izany ireo ekipa handray anjara amin’ity lalao fifaninanam-pirenena ity raha ny nambaran’ireo mpikarakara ary nanamafy izany koa ny mpilalao. « Efa vonona tsara hiatrika ny lalao, tsy misy zavatyra atahorana be fa milalao tsara fotsiny. Tena lasa mazoto be ihany koa satria nahita ny nataon’ireny zoky Ankoay ireny dia mba te ho lasa toa azy ireo ihany koa hiezaka be foana hanatsara ny fomba filalao ». hoy ny mpilalao iray.
Ho fanomanana ity lalao ity dia nanao ny fitsidihana ny kianja ny teknisianina eo amin’ny FMBB sy ny Ligue Régionale de Basket Ball Analamanga omaly maraina.
Kianja miisa 6 no ho ampiasaina ary manodidina ny 80 ny ekipa manerana ny ligim-paritra rehetra manerana ny Nosy handray anjara.
Miranto Andrih
