Alasora : Halalinina ny tatatra eny Ambohimanandraisoa
Misy ny asa fandalinana ny tatatra eny Ambohimanandraisoa, hatrany Ankadindratombo. Hisy ny fitohanana aterak’izany, izay efa nampilazain’ny kaominina mialoha.
« Ialana tsiny amin’ny fitohanana noho ny asa. Tsy maintsy halalinina mantsy ity tatatra eo Ambohimanandraisoa mankany Ankadindratombo ity » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Tsara tokoa izao fiomanana ataon’ny kaominina amin’ny fiavian’ny rivo-doza izao. Raha tsy voakarakara mantsy ny tatatra dia hiakatra ny rano. Tsy vitsy ireo tra-boina noho ny rotsak’orana misesy eto amintsika. Rariny loatra raha misoroka tsy hiverenany intsony » hoy i Henintsoa, mponina ao Alasora.
« Tsy tokony hiandry ny mpitondra foana amin’ny famahana ny olana amin’izao rivo-doza izao. Tsara raha samy tompon’andraikitra amin’ny tenany. Raha hita fa tsy azo antoka ny toerana misy antsika, maninona raha mitady toerana hilasiana sahady? » hoy i Fetra, manam-pahaizana mikasika ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana manodidina ny tontolo iainana sy ny loza voanjanahary.
Mila mailo tokoa amin’ny fiavian’ny rivo-doza. Tsy rehefa tonga ny loza vao ho taitra.
Nicole Rafalimananjara
