Ambohimangakely : Mikarakara fifaninana mahandro sakafo indray ny BTC
Mikarakara fifaninana mahandro sakafo ny BTC Ambohimangakely. Ny horonantsary maneho antsika mahandro zavatra no alefa hafatra miafina any amin’ny pejin’ny BTC.
« Ilaina foana ny mivelatra ao anatin’ny sehatra iray. Mila aseho amin’ny olona ny talenta raha tsy izany lasa talenta miafina » hoy i Joro, mpampianatra. « Betsaka ny talenta azo trandrahana. Azo atao hoa hoe mianatra azy dia aveo lasa fahaiza-manao mampiavaka. Izahay ato amin’ny BTC dia manome fiofanana marobe ho an’ny tanora. Izay tiany mihitsy dia hita ato avokoa hatramin’ny haiady aza » hoy i Diamondra, isan’ny nanorina ny BTC Ambohimangakely. « Alefa hafatra miafina aty amin’ny BTC ny sakafo karakaraintsika. 20 000 Ar ny fandraisana anjara, ary 50 000 Ar ny loza hozaraina amin’izany » hoy i Ando, mpikarakara ny hetsika ao amin’ny BTC Ambohimangakely. Mifarana amin’ny 6 febroary ny fandraisana ireo horonantsary mirakitra izany talenta amin’ny fahandroan-tsakafo izany. Tsara raha aseho fa tsy afenina ny talenta. Mila tandrahana sy hatsaraina hatrany izany.
Nicole Rafalimananjara
