ActualitésTsidika

Fampianarana : Manatanteraka fivoriana ny eo anivon’ny minisiteran’ny fampiofanana arak’asa

Ho fanatsarana ny lafiny fampitana ny fampianarana dia nisy ny fivoriana notontosain’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny toerana fampiofana sy ny minisitra misahana izany. Nanomboka ny 8 septambra lasa teo izany, mandritra ny telo andro mifanesy no hanatanterahana ny fihaonana izay atao eny amin’ny lisea teknika Alarobia. Entina hanomanana sahady ny fiverenana an-tsekoly sy hanatsarana ny drafitra-pampianarana no tanjona amin’izany.

« Tsy mifanaraka amin’ny filan’ny orinasa ny fampianarana omen’ireo sampana mampiofana ny tanora iatrik’asa » hoy ny minisitra Gabriella Rahantanirina Vavitsara. Hisy ny fidinana hifotony hitsidina ireo toernam-pampiofafana izay ho ataon’ny minisitra aorian’izao fivoriana izao. « Tombony lehibe ho anay tokoa izao satria hahalalanay ny fepetra takian’ireo orin’asa sy hirosoanay amin’ny fanatsarana ny fampiofanana » hoy i Bernet, tompon’andraikittra eo amin’ny toeram-pampiofanana iray. Antenaina noho izany ny hihenahan’ny tahan’ny tanora tsy an’asa eto an-toerana.

Haingo Andriamihaja

Laisser un commentaire