ActualitésTsidika

Mananjary: Olona 11 naiditra hopitaly avy nihinana atsantsa

Olona 11 no niditra hopitaly ao Sainte-Anne, Mananjary, noho ny fihinanana atsantsa misy poizina. Nataon’izy ireo laoka ilay atsantsa. Avy amin’ny tokantrano roa ireto narary ireto izay nisy olona 3 sy 8 mianaka. “Tamin’ny 12ora sy 30mn alina no nanomboka nahatsapa tsy metimety izahay. Toa te handoa sy narary kibo ary narary loha” hoy ny iray tamin’izy ireo. “Ny marainan’ny alahady 13 febroary tokony ho tamin’ny 9ora maraina vao nisy nitondra teny amin’ny toeram-pitsaboana. Ny sabotsy alina talohan’io no nihinana ilay atsantsa. Efa reraka ary tsy nahatsiaro tena ny ankizy” hoy ireo mpitsabo ao Mananjary. Efa mihatsara ny fahasalaman’izy ireo amin’izao fotoana izao. Efa betsaka ny fanapoizinana tamina atsantsa tahaka izao izay tokony handraisana fepetra mihitsy.

Laisser un commentaire