ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Vita ny lalana ao Avaratsena

Tontosa ny fitokanana ny lalana ao Avaratsena Talata Volonondry. Ny kaominina sy ny orinasa Agrifarm Inviso no tompon’andraikitra tamin’ny fanamboarana azy ity. « Tena mankasitraka indrindra amin’ny fiaraha-miasa. Ezahina foana ny hampandroso ny kaominina sy ny tanànantsika » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry.

« Efa misokatra ho antsika mpampiasa lalana ity lalana Avaratsena eo amin’ny Agrifarm ity. Mankasitraka anareo izay nanamboatra azy » hoy i Véronique, mponina ao Talata Volonondry. Fahombiazana tokoa rehefa miara-miasa ny mpitondra eny ifotony sy ireo orinasa eny ifotony ary indrindra ireo vahoaka eny ifotony. Tanàna mandroso no tanjona. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire