Ambohimanagakely : Notontosaina omaly ny fitsarana miaramila
Omaly, talata 06 septambra no daty napetraky ny distrikan’Avaradrano hanatanterahana ny fitsarana miaramila ho an’ny kaominina Ambohimangakely sy ny kaominina Ambohimalaza. Nisy araka izany ny fampatsiahivana sy fanentanana nataon’ny kaominina ho an’ireo zatovo amin’ny fanatanterahana izany.
« Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ny fitsarana miara-mila ary tsy nifarana izany raha tsy tamin’ny 3 ora tolak’andro, natao tao amin’ny Fafiala Ambohimangakely. Nilamina ny fandraisana ireo mpitsara miara-mila tamin’ny ankapobeny » hoy ny avy eo amin’ny fitandroana filaminana, nikarakara ny fitsarana miaramila. « Mbola tsy nanao fitsarana miaramila mihitsy aho fa tamin’ity vao nanao. Notenenin’ny tao an-trano fa ilaina ilay karatra maitso rehefa hitady asa na ho any ivelany dia natao aloha. Tsy sarotra fa mora atao, nilamina koa ny fandaminana dia mba tsy niandry ela be » hoy i Eva, tanora nitsara miaramila.
Mitohy hatrany moa ny fanentanana ho an’ireo tanora 19 ka hatramin’ny 31 taona mba hanao izany satria anisan’ny ilaina amin’ny maha-olom-pirenena ny karatra maitso ary hisy ny fotoana isavana azy ireny. Ny penina manga sy ny kara-panondrom-pirenena no entina manatanteraka izany.
Manitra Ramanantsoa
