Tsidika

Anjerimanontolo : Mangataka ny hijerena manokana ny fahasalamany ihany koa ny mpianatra

Sehatra iray mampivezivezy sy ifamezivezen’ny olona maro ny sehatry ny anjerimanontolo, ka mila hatomboka amin’ireo toerana ireo ny fanentanana amin’ny ady amin’ny coronavirus. Mbola maro ireo mpianatra ao amin’ny oniversiten’Antananarivo no mbola mipetraka ao amin’ireo trano fonenan’ny mpianatra na efa miato aza ankehitriny ny sehatry ny fampianarana ambony. Mazava ho azy fa tsy afaka mody any amin’ny faritra niaviany izy ireo. Amin’ny fotonan’ny hamehana ara-pahasalamana tahaka izao anefa no tena misy ny fahasahiranana eny amin’ny fonenan’izy ireo. Tsikaritra ho niato aloha ireo fangatahana momban’ny fianarana tato anatin’ny herinandro maromaro izay, ny olana mahakasika azy ireo ihany koa efa manomboka ahitam-bahaolana. Saingy olana sedrain’izy ireo indray ny fahasahiranana. Tonga hatrany amin’ny fangatahana ny amin’ny hampitoviana azy ireo amin’ny olona rehetra amin’ny resaka famatsiana ara-tsosialy isan-karazany. Ny 60% izy ireo ihany koa mbola tavela eto Antananarivo avokoa. Misy amin’izy ireo ihany koa no milaza fa tsy mbola nandray ny vatsim-pianarana, eo kosa no efa nandray izany saingy mbola tsy ampy hoentina hiatrehana ny ho avy izay mbola tsy fantatra izany. Ankoatra izany, nanolotra sosokevitra ho an’ny minisitera ihany koa izy ireo ny amin’ny hametrahana toeram-pitsaboana hijery ny fahasalaman’ny mpianatra monina eny an-toerana. Efa misy ihany moa ny mpitsabo eny an-toerana sy ny manodidina fa saingy olana sedrain’izy ireo ny tsy fisian’ny fanafody. Ny mpianatra ihany koa etsy ankilany efa maro no efa mitondra ihany koa ny tsimok’aretina. Misy amin’izy ireo no misintaka any amin’ny fianakaviany mba tsy hiparitahan’ny aretina, eo ihany koa ireo manahy ny fanilikilihana mahazo azy ka manafina izany. Mangataka ny tokony handraisana fepetra mafimafy kokoa araka izany izy ireo.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire