ActualitésTsidika

Paositra Malagasy: Ny hajia sy ny tontolony, mbola be mpampiasa.

Manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia, hahafahana mifandray amin’ny havana sy ny namana; eo ny facebook, antso an-tarobia, ny mail… Na dia eo aza anefa izany dia mbola be mpampiasa ihany koa ny fandefasana taratasy.

Mbola tsy lefy laza ny fampiasana ny hajia fa mbola maro mpampiasa izany eny anivon’ny paositra Malagasy. Na ireo tanora na ireo olondehibe dia mbola samy mampiasa izany avokoa ary mahay mampiasa ny hajia avokoa ny mmpisehatra rehetra. Mbola mitana anjara toerana lehibe  ao amin’ny tontolon’ny Mlagasy ny hajia sy ny fandefasana taratasy amin’ny alalan’ny paositra.  

“Raha ny isa hahafahana manamarina izany dia ireo 12% ny fidiram-bolan’ny paositra Malagasy dia avy amin’ny alalan’ny hajia avokoa. Mbola maro noho izany ny mpampiasa ny paositra satria efa nasiana fanovana rahateo ihany koa ny fomba fiasa mba hanaraka ny toetr’andro saingy tsy miala amin’ny foto-kevitra maha paositra azy hatrizay”, hoy i Richard Ranarison, Tale jeneralin’ny paositra Malagasy.

“Ny hampiasana ny hajia ihany koa tsy natao hoe ilaina handefasana taratasy irery ihany fa mivoy hafatra maro izy ireny. Toy ny hoe sary vorona efa mitady ho lany tamingana izay midika fa tokony harovana izy ireny ary indrindra ao anatin’ny hoe fiarovana ny tontolo iainana izany. An-tapitrisany ireo “timbre” lafo ao anatin’ny taona iray izay midika fa mbola manana ny toerany izy ireny”, hoy hatrany ny fanazavana.

Manomboka amin’ny 100ar ka hatramin’ny 10 000ar ny vidin’ny hajia eto Madagasikara. Mbola tena miasa tsara ho an’ireo izay mbola liana amin’izany tolotra izany ny paositra Malagasy. Ny saran’ny fandefasana taratasy dia miankina amin’ny karazan’ilay taratasy ho alefa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire