SocialTsidika

Novatsian’ny fanjakana Allemand fitaovana ny OMS i Madagasikara

Mbola tsy tapitra ny ady amin’ny Covid19 na efa hita aza fa efa miha mihidina ny isan’ireo olona mitondra ny tsimoka haretina eto Madagasikara. Mifandrimbona sy mifanome-tanana hatrany ireo firenen-dehibe mba ho hentina hanampiana ireo firenena sahirana aty Afrika.

Anisan’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny OMS mba hiadiana amin’izao valan’aretina mandripaka maneran-tany izao. « Tokony ho tohizana hatrany ireo hezaka efa vita mba hahitam-bokany maharitra ireo fifanampiana izay nentina hampidinana ny tahan’ireo olona voan’ny tsimok’aretina hatreto » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny OMS Madagascar. Efa mandeha ihany koa amin’izao ny fanaovana ny tsindrona fatra faha-roa amin’ny alalan’ny vaksiny Astrazeneca ary ho atomboka tsy ho ela ny fisitrahan’ny daholo be ny fatram-baksiny Johnson&Johnson. Ary tafiditra anisan’ireo toerana ahafahana mandeha manatanteraka ny fanaovam-baksiny ny eny amin’ny « Dispensaire des Nations Unies » eny Andraharo izay ihantsorohan’ny OMS.

Manoloana izany indrindra no nanoloran’ny fanjakana Allemand fitaovana henti-miaro ireo mpisehatra ara-pahasalamana miasa eo anivon’ity « dispensaire des Nations Unies » ity, nisy ihany koa ireo fitaovana medikaly mba ahafahana manatanteraka amin’ny antsakany sy andavany ny fanaovam-bakisiny, nanome fitaovana ahafahana mitily haingana ny tsimokaretina ihany koa zareo fanjakana Allemand.

Manao ny hainy tsy ho zavatra tokoa ireo mpisehatra eo amin’ny fahasalamana mba iadivana amin’ity areti-mandoza ity. Na eo aza izany dia tokiny mihezaka koa isika vahoaka mba hanampy sy hanome tanana azy ireo amin’ny alalan’ny fanajana ireo fepetra sakana efa napeteraka sy nampianarina hatrizay.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire