ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Manomboka ny asa fanadiovana faobe

Niroso tamin’ny fanadiovana faobe ny avy amin’ny kaominina Anosy Avaratra, nandomboka tamin’ny sabotsy teo. Mandray anjara amin’ny asa fanadiovana ny tanàna avokoa na ny olon-tsotra na ny anaty fikambanana sy ny vaomieran’asa ao an-toerana, ao anatin’izany.

“Natomboka tamin’ny fanalana ireo fako ny asa, teto amin’ny fokontany Anosy Avaratra. Nandray anjara tamin’izany ireo Sampati avy amin’ny fiangonana eto an-toerana, ny fikambana Mamafy, izay misy ireo zokiolona, teo ihany koa ireo mpiasa avy amin’ny kaominina sy ny mpanolo-tsaina ary ny fokonolona avy eto Anosy Avaratra” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Hitohy hatrany ny fanalana ny fako ka eny amin’ny fitoeram-pako eny Ankazondrangahy Fokontany Ambotrinimanga indray no hanohizana izany amin’ny Sabotsy 9 Décembre ho avy izao, ary ny 16 Décembre eny amin’ny fokontany Faravohitra sy Lazaina, araka ny fandaharam-potoana napetraka” hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy mitsahatra manentana ny mponina ahalala hitandro ny fanadiovana ny avy ao amin’ny kaominina, mba ho antoky ny fahasalamana sy ny filaminana. Hita nampiasaina tamin’ity hetsika ity moa ny fiara vaovao, izay azon’ny kaominina ho entina hanalana ny fako manerana ny fokontany dimy.

Laisser un commentaire