ActualitésTsidika

Mitaky ny hanesorana ny « Chef Cisco » Mananjary ireo mpampianatra any an-toerana

Anisan’ireo sehatra mbola hiaran’ny resaka kolikoly sy fanamparam-pahefana ny sehatry ny fampianarana.

Efa maro ireo fitarainana napetrak’ireo mpampianatra ao amin’ny Cisco Mananjary DREN Vatovavy sy Fitovinany mikasika ny Chef Cisco any an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fandehanan’ny asa fanabeazana amin’ny laoniny ao an-toerana, eo ihany koa ny tsy fanajana ny zon’ny mpiasa ary indrindra indrindra ny resaka fanodikodinam-bola, tahaka ny « Vacation CEPE ». « Efa ela ny nandeferanay mpampianatra, ary efa maro ireo fifampiresahana niarahana tamin’ity Chef Cisco ity fa saingy tsy nahitam-baha-olana » raha nilaza ny heviny i Sarobidy, mpampianatra any an-toerana.

Namoka fanambarana arak’izany ireo mpampianatra ho fitakiana ny hanesoran’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny « Chef Cisco » Mananjary amperin’asa amin’izao fotoana izao, koa manome 72 ora ho an’ny Ministera mpiahy izy ireo amin’izany « ary mety ho tonga hatrany amin’ny fampitsaharana ny fampianarana ireo mpampianatra amin’io taom-pianarana ho avy io ary hamantsika ny birao Cisco aorian’io fe-potoana io raha tsy mamaha izany olana izany » hoy kosa ny Melissa, mpampianatra ao an-toerana ihany koa.

Raha nanontaniana anefa ity Chef Cisco ity dia nanambara mazava tsar any tenany fa « ny Ministera no nanendry azy ho eo amin’io toerana misy azy io ary hiala avy hatrany izy raha maharay baiko avy any ambony fa tokony miala ».

Mila hentitra ny eny anivon’ny Ministera mikasika ireo olona eo ambany fifehezany, indrindra ny eo anivon’ny Fanabeazam-pirenena, noho izy ireo mamolavola ny ankizy ho lasa olom-pirenena vanona sy mpandray an-draikitra.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire