Mikasa ny hiverina eo amin’ny fitantanana ny firenena ny antoko HVM
Amin’ny taona 2023 no hanatanterahana ny fifidianana ho filoham-pirenena. Manomboka hita soritra fa efa miomana amin’io fifidianana io ny filohan’ny Repoblika taorian’ny fanendrena Ministra ireny satria manambatra antoko maro izany.
Etsy an-kilany anefa, hanomboka hiady amin’ny fiverenana eo amin’ny fitondrana ny antokoa « Hery Vaovao ho an’i Madagasikara ». « Izahay tsy nitaky ny hahazo seza teo amin’ny fitondrana ary izany no hitondra anay ho any amin’ny fandresena fanindroany indray na dia resy aza izahay tamin’ny fifidianana farany teo fa efa hiezaka hanarina ny tsy nety » hoy i Rakotovao Rivo, Filoha nasionaly ny antoko HVM. « Aleonay mihitsy aloha misafidy an’i HVM toy izay izao fitondrana nahalatsaka lalina ny firenena tao anaty fahantrana izao » hoy i Evelina, mpivarotra legume. Ahoana no mbola hampiverina ny HVM eo amin’ny fitondrana ? Hoy ny fanontanian’ny maro. Raha tsiahivina manko, 8% ny vato azon’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana farany, nandeha ny fifidianana hafa toy ny loholona saingy tsy nandefa solontena ny avy ao amin’ny HVM. Mety hitombona tokoa ve ny hahatafaverina azy eo amin’ny seza indray ?
Nicole Rafalimananjary
