ActualitésTsidika

Hanofa fiaramanidina any amin’ny Air Europa ny Air Madagascar

Niteraka savorovoro teo anivon’ireo Malagasy tokony handeha amin’ny sidina manokana fampodiana az y ireo eto Madagasikara ny fanemorana ny zotra ho lasa tamin’ny 25 aogositra ary ny sidina izay tokony hiazo an’i Paris nahemotra ny 26 aogositra.

« Antony tsy miankina manokana amin’ny kaompania Air Madagascar no nahatonga izany » raha ny voalazan’ireo tompon’andraikitra, « nogiazan’ny governemanta frantsay ho fanamafisana ny hetsika ara-pahasalama iadivana amin’ny covid19 sy ho fanampiana ireo terataniny any Antilles ny fiaramanidina A330-200 ny Air Caraibes izay nofain’ny Air Madagascar tokony hampodiana ireo tera-tany Malagasy maniry ny ody eto antanindrazana » raha ny filazan’ireo tompon’andraikitra hatrany.

« Tokony hisy ihany ny fampandrenesana mialoha raha misy ny fihovan’ny datin’ny sidina fa miteraka fahasosorana ho an’ireo mpandeha. Matoa ireo tera-tany any nangataka ody an-tanindrazana dia lany vatsy no antony fa tsy amin’ny ora farany vao atao ny fampandrenesana » raha nilaza ny heviny i Riantsoa, renim-pianakaviana manan-janaka izay nandeha tamin’ilay zotram-piaramanidina niharan’ny fihovam-potoana.

Tsy maintsy nitady paikady vaovao sy nanofa fiaramanidina hafa indray any amin’ny kaompania Air Europa izy ireo araky ny fantatra mba hitanana ny datin’ny sidina manaraka izay ho atao ny 28 sy ny 29 Aogositra ho avy izao raha ny vaovao voaray hatrany. Ny sidina izay ho atao ny 28 Aogositra izao ity no fantatra fa sidina hiainga avy ao Paris ary hitondra ny delegasionina Malagasy izay tarihan’ny filoham-pirenena niatrika ny fivoriana niaraka tamin’ny MEDEF, sy ireo mpilalao sasany mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea ary koa ireo tera-tany hody eto an-tanindrazana.

Anisan’ireo mahavitsy ny fiaramanidina azo ampiasaina sy hofaina amin’izao ny fivoaran’ny toe-draharaha ao Afghanistan, noho ireo firenen-dehibe mbola sahirana ihany koa mitatitra sy mampody ireo tera-taniny.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire